Ny ISSM dia manohana ireo mpisehatra sy mpamokatra sarimihetsika Malagasy, mandrindra ny sehatry ny sarimihetsika sy ny sary miaina, ary mampiroborobo ny sanganasan’izy ireo eto Madagasikara sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Ny Ivon-toeran’ny Sarimihetsika sy Sarimiaina Malagasy (ISSM), amin’ny endriny ankehitriny, dia natsangana tamin’ny alalan’ny Didim-panjakana laharana faha-2019-2210 tamin’ny 11 Desambra 2019.
Ny ISSM dia manana andraikitra handrindra, handrafitra, hanohana ary hampiroborobo ny sehatry ny sarimihetsika sy ny sarimiaina eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny famoronana, ny famokarana, ny fampiasam-bola, ny fanapariahana ary ny fitrandrahana ireo sanganasa Malagasy, sady miantoka ny fiarovana ny vakoka ara-tsarimihetsika sy ny fampandrosoana ny indostrian’ny sarimihetsika nasionaly.
Izy ihany koa no miandraikitra ny fanomezana sy ny fanaraha-maso ny fahazoan-dalana amin’ny fakàna sarimihetsika Malagasy sy vahiny, ny famokarana horonantsary fohy sy votoaty dokambarotra, ary koa ny fanapariahana, ny fampielezana sy ny fitrandrahana ireo sanganasa eny amin’ny efitrano fampisehoana, amin’ny fahitalavitra, amin’ireo mpampiely ary amin’ny sehatra nomerika.
Mandamina sy mandrafitra ny sehatra
Rafitra ara-dalàna mazava ho an’ny fakàna sary, ny famokarana ary ny fampielezana eto Madagasikara. Miaro ny sanganasa ny ISSM, miantoka ny zo ary mampiroborobo ny maha-matihanina ny sehatra iray manontolo.
Manohana ireo mpamorona amin’ny asany andavanandro
Ireo mpamokatra, mpanatontosa ary mpisehatra amin’ny sarimihetsika dia mahazo fanohanana ara-teknika sy ara-pitantanana avy amin’ny ISSM, manomboka amin’ny famolavolana ny tetikasa ka hatramin’ny fampielezana azy.
Mampivelatra ny fahaiza-manao sy ny asa
Fandaharan’asa fanofanana mitohy sy atrikasa fampiharana hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo matihanina ary hampiroboroboana ireo talenta Malagasy vaovao.
Mamatsy vola ny famoronana sy ny famokarana
Rafitra fanampiana ara-bola sy tahirim-bola fanohanana natokana hampiroboroboana ny famokarana eto an-toerana sy hanohanana ny fisandratan’ireo tetikasa manana vina lehibe.
Dingana enina lehibe no napetraka handrindrana ny sehatry ny sarimihetsika Malagasy, mba hahazoana antoka fa ny fakana sary, ny karatra maha-matihanina ary ny famokarana rehetra dia tanterahina ao anatin’ny rafitra ara-dalàna mazava.
