Fantaro eto ny valin’ireo fanontaniana matetika apetraka momba ny dingana arahina, ny fahazoan-dalana, ny antontan-taratasy ilaina ary ireo tolotra omen’ny ISSM.
Alohan’ny hametrahana ny antontan-taratasinao
Ahoana no handoavana raha tsy eto Antananarivo aho ?
Ny fandoavam-bola dia atao amin’ny Mobile Money (MVola, Orange Money, Airtel Money), araka ny toromarika omen’ny ISSM. Tsy misy fandoavam-bola atao mivantana eto amin’ny tranonkala.
Hafiriana vao mahazo valiny ?
Ny antontan-taratasy tsirairay dia dinihin’ny ekipan’ny ISSM. Rehefa voaray ny fangatahanao dia handefasana fanamafisana avy hatrany amin’ny alalan’ny mailaka ianao.